Omaly antoandro no nandao an’i Madagasikara Atoa Joaquim Chissano. Nandritra ny tatitra nataony no nanambarany fa araka ny dinika sy fifampiresahana nataony tamin’ireo vondrona politika, fikambanana maro samihafa avy amin’ny firaisamonim-pirenena dia tanteraka amin’ny ampahany betsaka ny tondrozotra, miroso ny fiomanana amin’ny fifidianana ka rariny sy hitsiny raha tazonina ny datin’ny 24 jolay hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.
Amin’ny maha diplaomaty azy moa dia mahay misafidy tsara ny voambolana ampiasainy ity filoha mozambikanina teo aloha ity. Raha tsorina ny zavatra tena tiany hotenenina dia ny hoe : tsy hahemotra intsony ny datim-pifidianana satria manaiky an’io ny rehetra (ndlr : ny maro an’isa), na ny eto an-toerana io na ny any ivelany. Manamafy hatrany ny zavatra efa nambaran’ireo masoivoho na solontenana fikambanana iraisam-pirenena eto amintsika ingahy Chissano ny amin’ny tokony hirosoana amin’izay amin’ny fifidianana fa tsy hanitarana indray ny tetezamita. Io antony io no nanafaingana ny fandrotsahana famatsiam-bola tao amin’ilay “Basket Fund” izay efa feno ankehitriny. Nilaza anefa i Joaquim Chissano fa nisy ihany tamin’ireo olona nihaona taminy nandroso hevitra fa tokony hahemotra amin’ny volana septambra ny fifidianana.
Nambarany ihany koa fa nihaona tamin’ireo andrim-panjakana rehetra misy ato anatin’ny tetezamita ny tenany ary nanamafy tamin’izy ireo fa tokony hohajaina ny tetiandrom-pifidianana. Tafaresaka tamin’ny FFKM koa ity lehiben’ny fanelanelanana amin’ny krizy eto Madagasikara ity ary dia mbola noresahan’ny roa tonta ihany fa tsy tokony hahemotra intsony ny fifidianana. Momba ny filatsahan-kofidian-dRamatoa Lalao Ravalomanana kosa dia nanipika mazava ingahy Chissano fa andraikitry ny CES tanteraka ny manapa-kevitra ny amin’izany fa tsy misy idiran’ny SADC mihitsy io resaka io. Hevitra tsara kosa anefa ny fanapahan-kevitry ny ankolafy Ravalomanana izay handray anjara amin’ny fifidianana raha nifanohitra tamin’izany foana ny heviny teo aloha araka ny hevitry ny SADC ihany. Hanao tatitra amin’ny Vondrona SADC sy Vondrona Afrikanina ny votoatin’ny diany ry Chissano ka miankina amin’ny hevitr’ireto farany no hamafana ny sazy mihatra amin’ireo mpitondra FAT 109 mianadahy. Nanainga omaly tolakandro nihazo an’Afrika Atsimo ry Joaquim Chissano ka iray fiaramanidina taminy ny profesora Tehindrazanarivelo Alain.
Yves sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.