Tafaverina an-tanindrazana omaly maraina indray ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka sy ny fianakaviany.
Nangatsiatsiaka ny fitsenana ny amiraly tamin’io omaly io, hentitra rahateo ny sakana napetraky ny mpitandro filaminana ka tsy nisy ny olona afaka nanatona akaiky ny seranam-piaramanidina fa teny amin’ny Don Bosco no niandry ireo olon-tsotra mpitsena, niaraka tamin’ny sorabaventy sy ny loko mena midorehitra ahafantarana ny Arema ary nanemitra ny arabe nandalovany ihany koa. Tsy nanao paompy intsony, tsy be resaka teo am-pahatongavana teny Ivato ny Amiraly fa tonga dia nihazo ny Centre de Conférence International, tsangambaton’ny fitondrana Ravalomanana eny Ivato, mba hanatrika ilay dinika karakarain’ny FFKM. Teny izy no nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ary nilaza fa nahazo taratasy fanasana ka dia tonga. Tsy mbola izao fa amin’ny fihaonana manaraka vao handroso ny soso-kevitra avy any aminy, ho famahana ny krizy i Didier Ratsiraka, araka ny teniny omaly. Nambarany ihany koa fa hijanona sy hipetraka eto Madagasikara tanindrazany amin’izay izy, raha tsy hoe roahana indray angaha !
Teny amin’ny hotely Carlton hipeterahany mandritra ny roa andro kosa no nilazany fa misy problema eto amintsika matoa isika manao Androrosy mangataka lava izao. Firenena mendrika mpitarika ve, hoy izy, taorian’ny niverenan’ny fahaleovantena efa 50 taona mahery izao tsy mba nisy famindram-pahefana nazava teo amin’ireo mpitondra voafidim-bahoaka nifandimby ? Ny vahoaka hatrany no mijaly ao anatin’izany fa tsy ny mpanao politika, hoy ity filoha teo aloha ity. Tsy Ratsiraka no problema eto, hoy izy, fa ny krizy mampihodinkondina antsika Malagasy sy misy farany eto. Mila fanafody izany ka ao amin’ilay dinika hifanaovantsika samy Malagasy no hijerena an’io. Mizara ny hevitry ny olona amin’izao fiverenan’i Deba an-tanindrazana izao. Ao ireo milaza fa efa reraka izy ka nody amin’izay ; misy koa milaza fa te hanome sary tsara ny Malagasy momba ny tenany ny Amiraly ka hanezaka mafy mba hampihavana sy handamina ny krizy. Misy koa anefa ireo mihevitra fa tsy mbola niova ny Amiraly. Misy zavatra ketrehany matoa izy tonga, na handrava ny tetezamita mihitsy dia hanangana tetezamita vaovao, na iza no mahalala fa mety mbola hikiry ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany. Izy koa dia tsy mba matokitoky olona izay, ary io no antony tsy nisian’ny olona novolavolaina handimby azy mihitsy tao amin’ny Arema. Natao tahaka ny andriamanitra kely mihitsy izany hoe Didier Ratsiraka izany hatramin’izay ka hatramin’izao. Mandeha ny resaka hatry ny omaly fa mirona mankany amin’ny “Maputo 1”, saingy volavolain’ny samy Malagasy, ny vahaolana
Izany hoe mihemotra ny fifidianana hametrahana tetezamita vaovao ka an’ny ankolafy Rajoelina ny filohan’ny tetezamita, an’ny ankolafy Ratsiraka ny praiminisitra, an’ny ankolafy Ravalomanana ny Kongresin’ny tetezamita ary an’ny ankolafy Zafy ny resaka fampihafanana. Tsiahivina fa tsy nanasonia ny tondrozotra ny ankolafy Ratsiraka ary tsy niditra mihitsy tao anatin’ny tetezamita. Tany amin’ny fihaonan’i Maputo dia efa nodiovin’ny fifanarahana politika ny heloka niampangan’ny fitsarana an’i Didier Ratsiraka sy ireo mpiara-dia taminy noho ny krizy 2002 ary farany teo dia maromaro ihany ireo azo sokajiana fa olon-dRatsiraka nahazo famotsoran-keloka avy amin’ilay komity manokana ao amin’ny fitsarana tampony. Efa eto Madagasikara ny ankamaroan’ireo mpiara-dia amin’ity filoha teo aloha ity izay sesitany tany ivelany nandritra ny folo taona ary efa miasa mangina any ambadibadika rehetra any.
RTT sy Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.