Heno tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly koa fa mampanahy ny fifidianana raha mbola olon’ny FAT avokoa no hikarakara azy. Mialoha ny fifidianana, hoy ny CT Rarison Hilarion, dia mila fifandanjam-pahefana marina. Tsy hanonofy isika, hoy izy, fa “1er tour” io dia vitan’i Neny. Tian’ny olona io Lalao Ravalomanana io ary mety amintsika tanteraka. Ilàna vaniny foana ny movansy Ravalomanana, hoy ihany ny CT Ralaimampisainarinony Manoela, nefa toa tsy maninona raha ny hafa no manao propangandy mialoha ny fotoana. Mahavariana, hoy izy fa ny sefo Fokontany ao Faravohitra izay mipetraka any La Haute dia nanala ny anaran-dry filoha Ravalomanana anaty lisitry ny mponina.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.