• Talata 20 Aogositra 2013
Vondrona SADC
Mandodona hamitana haingana ny fifidianana

Niarahaba ny CES noho ny fanapahan-kevitra noraisiny ny fivoriambe ara-potoana faha-33-n’ny SADC notanterahana tany Lilongwe renivohitr’i Malawi ny 17 sy 18 aogositra lasa teo. Araka ny fanambarana ofisialy navoakan’ny SADC dia tokony hitondra an’i Madagasikara mankany amin’ny fifidianana malalaka, mangarahara ary azo antoka amin’izay iny fanapahan-kevitry ny CES iny.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 19 Aogositra 2013
Ankolafy Zafy Albert
Tsy hanaiky hampiadian’ny Frantsay

Mitety faritra ny ekipan’ny ankolafy Zafy Albert tarihan-dRtoa Lalatiana Ravololomanana, manazava ny foto-keviny amin’ny famahana ny olana politika eto.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 19 Aogositra 2013
CT Radert Didier
«Ny tsy ara-dalana indray no manjaka eto»

Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena taorian’ny namoahan’ny CES ny didy manova ny lisitry ny kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 19 Aogositra 2013
Fanapahan-kevitry ny CES
Nampiakatra tosi-drà hatreny ivelan’ny kianja

Na dia efa nifarana ela aza ny kabary fifanentanana tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alahady dia mbola nitohy hatrety ivelan’ny kianja ny fiadian-kevitra sy fifandresen-dahatra teo amin’ny samy mpomba ny ara-dalàna sy ny kandidà Neny Lalao Ravalomanana ary ny filoha Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 19 Aogositra 2013
Rabemananjara Albain (CDE)
Tandindomin-doza ny fifidianana

Mampiteny ny moana ny zava-misy eto amin’ny firenena, indrindra taorian’iny fanapahan-kevitry ny CES farany teo iny nanilika ambony latabatra tsotra izao ireo kandida heverina fa goavana amin’ny fifidianana noho ny tsindry avy any ivelany.

Hamaky ny tohiny
FTT