Mampiteny ny moana ny zava-misy eto amin’ny firenena, indrindra taorian’iny fanapahan-kevitry ny CES farany teo iny nanilika ambony latabatra tsotra izao ireo kandida heverina fa goavana amin’ny fifidianana noho ny tsindry avy any ivelany.
Tandindomin-doza ny fifidianana, hoy Rabemananjara Albain, filohan’ny Club Développement et Ethique (CDE) satria dia tafiditra amin’ny lalan’ny tsy fitoniana indray ny firenena. Sarotra ny hanatontosana fifidianana amin’izao toe-draharaha izao, hoy satria tsy tenierana fa vao maika mampizarazara ny lalàna hitondrana ny raharaha. Ankoatra izay dia tsy afaka iantohana ny fanatanterahana fifidianana marina sy demokratika ny lisi-pifidianana sy ny firafitry ny CES amin’izao, hoy izy. Nomarihiny fa vao teo amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana dia efa betsaka ny lesoka ary isany mampitarazoka ny krizy. Betsaka ny olona tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana, ary mazava fa tsy afaka hifidy.
Koa raha fifidianana hitondra any amin’ny fitoniana no noheverina dia vao mainka hampidi-kizo ny firenena indray izany noho ny amboletra. Tsy afaka hiantoka ny fangaraharahana sy ny fahadiovan’ny fifidianana koa ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharaham-pifidianana, fa vao maika aza ho zava-doza no haterany, ka dia hiverina indray ny tantara amin’ny fifandirana sy fifandroritana aorian’ny fifidianana. Miharatsy ny toe-draharaha, ary tsy azo ihodivirana ny tsy fankasitrahana ny voka-pifidianana eo raha izao no mitohy. Manampy trotraka izany ny fanambarana miovaova ataon’ny CENIT manodidina ny fanomanana ara-teknika ny fifidianana. Ny mahagaga anefa hoy Rabemananjara Albain dia misy olona manosika ny hirosoana amin’ny fifidianana ao anatin’izao toe-draharaha misafotofoto izao. Sarotra ny hino fa ny fifidianana ho avy eo dia hampandroso ny demokrasia Malagasy, ny mifanohitra amin’izay aza no hiseho : ady saritaka. Raha tena tia tanindrazana ny mpitondra, hoy Rabemananjara Albain, dia tokony hampitsahatra izao hazakazaka arahin-tosika izao mba hahafahana manomana fifidianana tenierana anjakan’ny fandriampahalemana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.