Na dia efa nifarana ela aza ny kabary fifanentanana tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alahady dia mbola nitohy hatrety ivelan’ny kianja ny fiadian-kevitra sy fifandresen-dahatra teo amin’ny samy mpomba ny ara-dalŕna sy ny kandidŕ Neny Lalao Ravalomanana ary ny filoha Marc Ravalomanana.
Resaka manodidina ny fanapahan-kevitry ny CES vaovao tamin’ny fanilihana an’i Neny moa no tena votoatin’ny adihevitra satria tena naharary ny rehetra izany ary nampiakatrakatra tosi-drà ka tsy nitovian-kevitra ny hoe : tokony hiala tao anatin’io fitondrana io amin’izay ny ankolafy Ravalomanana fa tsy havitana n’inona n’inona ao fa manome vahana an-dRajoelina sy ny forongony fotsiny. Andininy moa dia teo ireo milaza hoe MIT (Mpitolona Ivelan’ny Tamboho) mpanaraka tsy tapaka ny hetsiky ny ara-dalàna sy ny fifanentanana atao an-kianja fa tsy miditra ao anatin’i Magro mihitsy. Ankilany ny MCT Raveloson Constant hany tompon’andraikitra tavela faramparany tao an-kianja ka namatrapatraran’irery voalohany ny halahelony teo. Tsy nahavita n’inona n’inona ianareo fa mialà tao, hoy irery voalohany. Tsy azo raisina an-tendrony ny fiatrehana raharaha politika, hoy ity fahsaroa izay efa tena galofantsy amin’ity resaka fanaovana politika, fa ilana fandaminana ny fanapahan-kevitra ho raisina ka rehefa tapaky ny lehibe fa miala izahay dia miala, fa raha mbola misy tokony hatao ao dia … izay izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.