CT Radert Didier

> «Ny tsy ara-dalana indray no manjaka eto»


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2013

Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena taorian’ny namoahan’ny CES ny didy manova ny lisitry ny kandidŕ amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Ho an’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Didier Radert, dia mazava ny resaka fa nisy olona nokendrena manokana hoesorina ary nisy ambadika politika sy tsindry avy any ivelany sy avy eto an-toerana no nahatonga iny didy vaovao iny. Misy siosion-dresaka milaza mantsy, hoy ity CT avy ao Vakinanakaratra ity, fa misy tohanan’ny Frantsay mivantana amin’ireo kandidà voatazona ireo, ary tsy hamela hatramin’ny farany ny Frantsay raha tsy tafita ny kandidà tohanany. Tsy takona afenina koa ny fihetsiky ny vondrona iraisam-pirenena izay hita ho mitongilana satria raha toa ka fanelanelanana no ataony dia mitsabaka tanteraka amin’ny raharahan’ny Malagasy izy ireo ary lasa mibaiko mihitsy ny raharaham-pifidianana. Fa nasiany fanamarihana manokana ny fihetsiky ny filohan’ny Komity mpanaramaso ny fanatanterahana ny tondrozotra nitory ireo kandidà telo kanefa tsy niloa-bava manoloana ny tsy fahatanterahan’izany tondrozotra izay. Raha tanteraka an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra hoy i Didier Radert dia efa ela no nivaha ity krizy ity. Nambarany fa mitohy ny tolona rehefa mbola tsy tafapetraka ny ara-dalana, satria amin’izao fotoana dia hita taratra fa mitady hanjaka hatrany ny tsy ara-dalana, ireo mpanongam-panjakana indray no mahazo vahana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT