Ankolafy Zafy Albert

> Tsy hanaiky hampiadian’ny Frantsay


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2013

Mitety faritra ny ekipan’ny ankolafy Zafy Albert tarihan-dRtoa Lalatiana Ravololomanana, manazava ny foto-keviny amin’ny famahana ny olana politika eto.

Tao Toamasina izy ireo ny sabotsy tolakandro teo, nanao famelabelaran-kevitra tao amin’ny sekoly Arema Ankirihiry Avaratra. Nambaran-dRtoa Lalatiana Ravololomanana fa tsy hanaiky hampiadian’ny Frantsay sy ny GIC-M intsony hisorohana ny ady an-trano sy korontana ary fifamonoana eto. Niaiky anefa ny ankolafy Zafy Albert fa ny mpanao politika Malagasy no tsy ivahan’ny olana eto noho izany dia mila miray hina satria ao anatin’ny kihon-dalana sarotra ny firenena ary mananontanona ny ady an-trano. Voizin’ireto ekipan’ny Pr Zafy Albert ireto tao Toamasina fa ny fifidianana lalampanorenenana ihany no vahaolana alohan’ny fifidianana rehetra, satria io no lalàna fototra hitondrana ny firenena. “Izay no tsy nanoloranay olona ho mpikambana eo anivon’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES), satria ny fifanilihana sy ny fifampitoriana nataon’ny mpanao politika io dia taratry ny zavatra hitranga tsy ho ela eto” hoy hatrany Rtoa Ravololomanana. Mahatsapa izany ny FFKM ka “tsy milavo lefona amin’ny famahana ny olana sy amin’ny fampihavanana marina hametrahana fitoniana” hoy hatrany ireto ankolafy Zafy Albert.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT