Vondrona SADC

> Mandodona hamitana haingana ny fifidianana


  • Talata 20 Aogositra 2013

Niarahaba ny CES noho ny fanapahan-kevitra noraisiny ny fivoriambe ara-potoana faha-33-n’ny SADC notanterahana tany Lilongwe renivohitr’i Malawi ny 17 sy 18 aogositra lasa teo. Araka ny fanambarana ofisialy navoakan’ny SADC dia tokony hitondra an’i Madagasikara mankany amin’ny fifidianana malalaka, mangarahara ary azo antoka amin’izay iny fanapahan-kevitry ny CES iny.

 

Mandodona ny CES ihany koa mba hanafaingana ny asa hahafahana manao ny fifidianana ny vondrona SADC. Karazan’ny mipasoka ny efa malama ihany ity fanambaran’ny SADC ity fa tsy dia misy zava-baovao. Efa mazava ny hevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena, fa dia ny fanilihana ireo kandida 3, indrindra fa Rtoa Lalao Ravalomanana. Tsara homarihana anefa fa tsy izao tontolo izao akory no ambara fa «fianakaviambe iraisam-pirenena eto». Raha ny eto amintsika sy amin’ny faritra maro aty amin’ny kaontinanta Afrikanina dia ny Frantsay no tompon’ny laka sy tompon’ny fanapahan-kevitra fa atao fialokalofana fotsiny ilay hoe : vondrona iraisam-pirenena.

Efa hatramin’ny 2009 no niditra lalina tany anatin’ny Vondrona Afrikanina, ny SADC ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana, ny Frantsay ary tena nanaraka akaiky ny asa fanelanelanana momba ny krizy Malagasy no sady nampiasa ny olony sy ny fahefany ihany koa. Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa samy nitsidika tamin’ny fomba ofisialy an’i Frantsa ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma sy ny filoha Tanzanianina Jakaya Mrisho Kikwete, izay filoha nifandimby nitarika ny Troika sy ny vaomiera misahana ny politika sy ny filaminana ary fandriampahalemana eo anivon’ny SADC, ka efa nahazo toromarika tamin’ny mpitondra Frantsay momba ny hitantanana ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Nanolo ireo mpitantana azy ihany koa ny SADC nandritra izao fivoriana izao ka lasa filoha mitarika ny SADC indray Atoa Joyce Banda filohan’i Malawi raha toa ka voafidy ho filoha lefitra i Robert Mugabe filohan’i Zimbaboe.

Voafidy ho filohan’ny Troika na vaomiera misahana ny politika sy ny filaminana ary fandriampahalemana kosa i Hifikepunye Pohamba filohan’i Namibia ary lany ho filoha lefitra i Thomas Motsoahae Thabane praiminisitr’i Lesotho. Manomboka izao ihany koa dia voalohany no vehivavy no hisahana ny andraikitry ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC dia tsy iza izany fa ny Dr Stergomena L. Tax, izy moa dia kandida natolotr’i Tanzania ary efa manana traikefa amin’ny resaka diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena.

 

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT