Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia nilaza ny heviny tao Ambositra omaly zoma 13 septambra Atoa Randrianarimalala Julien, mpandrinda ny Zanak’i Dada ao amin’ny Distrikan’Ambositra sady mpanolotsainan’ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany.
Nambarany fa tsy hisy raharaha vanona eto amin’ny firenena raha tsy mihavana avokoa ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra. Fampihavanana tena izy fa tsy sarintsariny no tokony hatao eto amin’ity firenena ity ka mila ampandeferina ny fitiavan-tena. Araka ny fahitany ny zava-misy ankehitriny dia tsy mbola vahaolana ny fanatanterahana fifidianana natao amboletra izay tsy mangarahara, tsy ara-demokratika ary nanilihana kandida io. Tsy misy afa-tsy ny firosoana amin’ny fampihavanana ihany no vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao, hoy ihany Atoa Randrianarimalala Julien mba hialana izay loza mety hitranga eto amin’ny firenena izay efa kasain’ny sasany hatao mba hitrandrahany ny harem-pirenen’i Madagasikara. Aleo manarina firenena rotiky ny ady, hoy ity mpandrindra ny Zanak’i Dada ao Ambositra ity toy izay manarina firenena simba ny toe-tsain’ny olona sy ny mpanao politika ao aminy. Raha tena tia tanindrazana marina isika mpanao politika, hoy Atoa Randrianarimalala Julien dia ny hoavin’ny taranaka handimby no mila tsinjovina.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.