Manao ranolava ny fanambarana sy ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena sy fikambanana ary antoko politika manodidina ny fifidianana ho avy. Ho an’ny «Collectif des Pro-Marc Ravalomanana» izay hivondronan’ireo fikambanana nivoaka avy ao amin’ny hetsika Magro sy ireo olon-tsotra mpitaky ny ara-dalŕna hatramin’izay, izay nanao fanambarana tetsy amin’ny Kamoula Analakely omaly, fa ry zareo dia manohana ny fotokevitra sy ny fomba fitantanan’ny filoha Marc Ravalomanana ny fitondrana ary hatreto dia mbola matoky azy.
Fa izany Ravalomanana izany ihany no afaka hanohitra ny Frantsay sy fanjakazakany eto Madagasikara, hoy izy ireo. Efa nijoroan’ny amiraly Didier Ratsiraka vavolombelona fa izy dia olona nampiasain’ny Frantsay tamin’ny fanonganana ny filoha Marc Ravalomanana, ka ny harenay Malagasy dia tsy homenay ny Frantsay intsony n’inona n’inona hitranga, hoy ny fanambarana tamin’ny teny henitra. «Hiaro an’i Madagasikara hatramin’ny farany izahay ary ho an’ny taranaka any afara”. Koa miantso ny filoha Marc Ravalomanana izahay, hoy ry zareo «Collectif des Pro-Marc Ravalomanana» ireto mba handray andraikitra ny amin’izany ka tsy handray fanapahan-kevitra an-tendrony amin’ny fanendrena olon-kafa hotohanana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy. Aminay, hoy ihany ity “Collectif” ity, dia tsy izy ny fifidianana atao amboletra. Amboletra satria feno ny fepetra tsy afahana manatanteraka fifidianana amin’ny daty navoakan’ny CENI-T noho ny toerana dibo-drano tsy azo handrobohana tongotra amin’ny andro fahavaratra kasaina hanatanterahana izany fifidianana izany. Faharoa : izany biletà tokana izany hatraiza hatraiza eto an-tany dia mila fotoana fampianarana ny fampiasana azy. Mila andro maro dia maro izany raha ho an’i Madagasikara manokana satria be ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra eto.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.