Nody ventiny sahady ny fiaraha-miasanay miaraka amin’ny CST Naivo Rahodina, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly tetsy amin’ny Lapan’ny CST Anosikely noho ny fahasahiany mandray andraikitra mijery sy mihaino ireo fangatahan’ny vahoaka nentinay teo aminy.
Mbola nanamafy moa ny filohan’ny Hafari fa tsy eken’izy ireo velively izany vahiny manjakazaka eto Madagasikara izany. Maro ny fandrahonana azonay sy ny filazana fa hamoronana dosie izahay hanagadrana anay fa tsy hampihemotra anay izany, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ny tadiavinay, hoy ity farany, dia ny fampanjakana ny lalàna. Tany misy fanjakana eto, hoy ny CST Raholdina, ka isaorana ny Hafari nitondra ireo dosie maro mikasika ny olana ara-tany tsy mbola fantatray. Nilaza ny CST Raholdina fa hojerena ifotony miaraka amin’ny tompon’andraikitra rehetra ny resaka fanotorana tany tsy nahazoana alalana etsy Anosizato Atsinanana amin’ny talata ho avy izao. Horavana ihany koa ny fefy tsy nahazoana alalana nataon’olona amin’ny tany manan-tompo eny Morarano, hoy izy. Tsy misy resaka politika izany ambarako izany, hoy ny CST Raholdina, fa andraikitry ny filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita no hijoroako ary Lapan’ny demôkrasia rahateo ato. Nilaza moa ity olom-boatendry ity fa vonona hiantoka manontolo ny fiantsorohana an’ilay loabary an-dasy mikasika ny ady tany eto amintsika ka handraisan’ny herivelona rehetra anjara raha ilaina izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.