Mafana ny rivotra politika any Ihorombe, indrindra ao Ihosy renivohitry ny Faritra, taorian’ny nahafantarana fa nirotsaka ho kandida solombavambahoaka ny lehiben’ny Faritra am-perinasa, Atoa Rakotoarimavo Louis Joseph fantatry ny maro amin’ny anarana Ranary.
Mahatratra 14 ireo kandida depiote ao Ihosy ankehitriny, hiady ny toerana tokana anjaran’ity Distrika ity. Zon-dRanary tanteraka amin’ny maha olom-pirenena feno azy ny mirotsaka ho kandida, fa noho izy solontenam-panjakana sady lehiben’ny mpiasam-panjakana ao amin’ny Faritra tantanany no maha be ahiahy ireo adverserany rehefa nirotsaka ho kandida izy, na tsy mbola namoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandida nahafeno fepetra aza ny OVEC ao an-toerana. Misy loharanom-baovao hafa mitatitra fa manohana ny kandida filoham-pirenena Hajo Andrianainarivelo ity lehiben’ny Faritra ity, ka vao mainka mampitombo ny ahiahin’ireo mpifaninana aminy sy ny vahoaka any an-toerana ihany koa. Efa depioten’i Ihosy Atoa Atoa Rakotoarimavo Louis Joseph, voafidy tamin’ny lisitra «Tsy atoro fa hita» tao Ihosy, tamin’ny taona 2003, ary nahavita taom-piasana iray. Voatendry ho lehiben’ny Faritra izy tamin’ny 2009 taorian’ny fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina. Raha nisy fanoloana lehiben’ny Faritra tamin’ny 09 aogositra 2013 teo, efa tao anatin’ny lisitry ny saika hosoloina izy ary ny anaran’ny administratera sivily Tata Albert no efa voasoratra tao anaty volavola didim-panjakana niarahan’ny minisitry ny Atitany Rakotoarisoa Florent sy ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana Ruffine Tsiranana nanao Sonia saingy nofafana tamin’ny ora farany izany nandritra ny filankevitry ny minisitra, ka lehiben’ny Faritra fito no nosoloina na re aza fa mbola hisy andiany manaraka.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.