Vitsy ireo kandidà tonga nanatrika an’ilay fivoriana fanaovan-tsonia ny Dinam-pihavanana ho an’ny fitoniana iombonan’ireo mpilatsaka hofidina ho Filoham-pirenena, nokarakarain’ny FFM na Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy teny amin’ny CCI Ivato omaly alakamisy.
Hetsika nolazain’ny jeneraly Rabotoarison Sylvain, filohan’ity rafi-panjakana ity fa hanehoana ny soatoavina Malagasy hampanekeny an’ireo kandidà an’ilay teny malaza hoe : “Izay maharesy tsy hobiana ary izay resy tsy hakoraina”. Bangabanga be ihany ny toeran’ireo tokony hanatrika ny fivoriana fa saika ny mpikambana ao amin’ny FFM, ny jeneraly Rasolosoa Dolin, filohan’ny CST, ny solontenan’ny prezidansa sy ny primatiora ary ny “Médiateur de la République” sy CMDM niaraka tamin’ny solontenan’ireo kandidà hafa niisa sivy no nameno ny toerana, dia ny solontenan’i Camille Vital, Benjamin Radavidson Andriamparany, Hajo Andrianainarivelo, Alain Tehindrazanarivelo, Voninahitsy Jean-Eugène, Roland Ratsiraka, Fetison Rakoto Andrianirina, Rajemison Rakotomaharo ary Pierrot Rajaonarivelo. Fito monja ireo kandida tonga dia Razafimanazato Julien, Ratrema William, Rakoto Jean-Pierre, Hery Rajaonarimampianina, Clément Ravalison, Faharo Ratsimbalson ary i Patrick Raharimanana. Somary nanamaivana io havitsian’ny kandida tonga io ny jeneraly Rabotoarison Sylvain. Nambarany fa maro ireo kandidà no mitety faritra manomana ny fifidianana ho avy ka tsy eto an-drenivohitra.
Ho sarotra
Nafanafana ihany ny adihevitra nialoha ny fanaovan-tsonia. Nanamarika, ohatra, Atoa Patrick Raharimanana kandidan’ny antoko “Vitatsika io” fa ilàna ny fampihavanana sy ny fitoniana eo amin'ny samy Malagasy, nefa kosa tsy atao fiafenana ny resaka fihavanana mba handikan-dalàna. Misy rahateo kandidà efa manao fampielezan-kevitra sy mampiasa ny fitaovam-panjakana, ary ny haino aman-jery samirery. Notsindriany ihany koa ny tokony hisian'ny mangarahara eo amin'ny famatsiana ara-bolan'ny kandida ka tsy ho fivarotana tanindrazana ny tambin’ny vola maro be afafy amin'ny fampielezan-kevitra hakana fitondrana. Hentitra moa ny teniny nilaza fa hijoro, tsy hanaiky izay voka-pifidianana eo izy raha toa ka noho ireo antony ireo no hahavoafidy izay ho filoha eo. Narahin’Atoa Patrick Raharimanana fanamarihana ny sonia nataony fa : “Takiana ny mangarahara amin’ny famatsiam-bolan’ny fampielezan-kevitra”. Fa tonga teny Ivato saingy tsy nety nanao Sonia tsotra izao an’ilay dina fampihavanana ny kandida Faharo Ratsimbalson. Aminy dia misy fihatsarahambelatsihy io zavatra atao io. Nambarany koa fa nilaza taminy koa, hono, i Jesôsy, hoe : “aza manao sonia an’io”. Somary nanaitra ihany koa ny tsy nahitana seza natokana ho an’ny kandida Ratrimoarivony Guy, na samy nanokanana seza manokana ho azy avy ireo kandida 33. Samy natonin’ny FFM anefa ny kandida isanisany nialoha ity fihaonana ity; Samy jeneraly avy amin’ny zandarimariam-pirenena ihany koa ity kandida ity sy ny filohan’ny FFM. Inona no nitranga ? Ny endri-javatra toy izao dia mitory fa sarotra ny miandry ny FFM, ary mety hafanafana ny toe-draharaha mialoha, mandritra sy aorian’ny fifidianana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.