Andriamampianina

> Rava ny fiandrianam-pirenena


  • Sabotsy 14 Septambra 2013

«Tsy manana izany fiandrianana izany intsony ny firenena Malagasy amin’izao fotoana raha ny trangan-javatra niseho tato ho ato no jerena», hoy Atoa Andriamampianina. Nilaozan’ny tantara isika ka miverina amina endri-panjanahana vaovao indray amin’izao fotoana, hoy ity mpandinika raharaham-pirenena ity.

Na ny fifidianana mandeha sy omanina amin’izao fotoana aza dia tsy ny Malagasy no manomana sy mandamina azy, ka izay tsy eken’ny Afrikanina lazaina fa mpanelanelana dia tsy nahazo nilatsaka, ary na ny drafitra hampandrosoana an’i Madagasikara aza dia ny vahiny no handrafitra azy amin’izao fotoana hovantanin’izay filoham-pirenena ho lany eo. Raha ny fandinihan’ity olon-tsotra ity ihany dia nolazainy fa tsy vahaolana ny mety hanohanana kandidà ho filoham-pirenena na dia voizina mafy aza izany satria tsy azo antoka izay olona tohanana eo raha lany satria taiza moa izy ireo hatramin’izay, hoy izy. Aminy rehefa notsipahina ny kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena dia aleo tsy mandray anjara amin’ny fifidianana eny fa na dia ny solombavambahoaka aza satria ho sarotra ny hahazoana ny maro an’isa ka tsy hahazo ny Praiminisitra izany.

Raha ny hevitro, hoy izy dia ny fialana ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao no mety ka avela hataon’ny mpitondra eo taritokana any ny fifidianana raha vitany, ary amin’izay fotoana izay dia tsy ho tompon’antoka amin’izay vokany sy fiantraikany eo ny ankolafy. Raha nanontaniana ny heviny momba ny mety hisian’ny fifidianana Atoa Andriamampianina dia nambarany fa hisy ny fifidianana raha ny fihetsiketsehana maro samihafa ataon’ny mpikarakara sy ny mpitondra, saingy amin’ny lafiny hafa toy ny fitoniana politika sy ny tsy fandriampahalemana dia tsy hisy ny fifidiana, indrindra fa tsy mandray anjara amin’ny fifidianana na koa miala ao anatin’io rafitra io ny ankolafy Ravalomanana dia milaza marina aho, hoy izy fa tsy hisy fifidianana izany eto.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT