• Zoma 27 Septambra 2013
Rakotovazaha Olivier
“Miangavy ny FFKM ny MFM mba hiditra amin’ny asan’ny fampihavanam-pirenena”

Avy nanao Vovonana ny antoko MFM ny herinandro lasa iny. Nisy ny resaka nifanaovana tamin’Atoa Rakotovazaha Olivier, Sekretera Jeneralin’ny MFM manodidina izany sy ny toeran’ny antoko manoloana ny raharaham-pirenena.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 26 Septambra 2013
Dr Robinson Jean Louis
Akaiky ny vahoaka indrindra

Ny Distrikan’Avaradrano no nanohizan’ny kandida Robinson Jean Louis ny fidinana ifotony omaly tontolo andro, nifampiresahany nivantana tamin’ny vahoaka ka nilazany fa hanarina ny rava izy, ary efa vonona ny MAP na ny Madagasikara Am-perinasa hanatanterahana izany miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana. Voatetiny i Talatavolonondry, Sabotsy Namehana nipaka hatreny Ankadindratombo-Alasora.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 26 Septambra 2013
Randriamanantsoa Tabera
“Ny Fokonolona no masi-mandidy”

Toy ireo kandida hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena rehetra dia nahazo ny ivontoerana ifanakalozana sy hanangonana vaovao ihany koa ny antoko Kintana, izay manolotra an-dRandriamanantsoa Tabera ho kandidany amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny 25 Oktobra ho avy izao.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 26 Septambra 2013
Propagandy
Mitobaka ny vola be tsy fanta-piaviana

Tsy mampivaky loha, tsy raharahain’ny mpitondra tetezamita ny tsy filaminana an-tanàn-dehibe sy eny ambanivohitra. Tena nihen-danja ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara, maty hasina ny mpanabe, mihemotra ny fahaizan’ny zaza Malagasy.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 26 Septambra 2013
Magro Behoririka
Mitohy ny tolona

Hamaky ny tohiny
FTT