Propagandy

> Mitobaka ny vola be tsy fanta-piaviana


  • Alakamisy 26 Septambra 2013

Tsy mampivaky loha, tsy raharahain’ny mpitondra tetezamita ny tsy filaminana an-tanàn-dehibe sy eny ambanivohitra. Tena nihen-danja ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara, maty hasina ny mpanabe, mihemotra ny fahaizan’ny zaza Malagasy.

Manaporofo izany ny voka-panadinana bakalôrea farany. Maro ireo kandida izay avy ao amin’ny elatra Rajoelina ihany no tena manam-bola manofa fiaramanidina hanaovana propagandy. Fony izy ireo tao anatin’ny fitondrana tetezamita anefa dia toa nitazam-potsiny ny fiparitahan’ny andiam-balala fa tsy mba nikaroka hevitra hahafahana mampiasa fiaramanidina handraraka fanafody. Ary raha mba nisy fiaramanidina maro be tahaka izao koa nampiasaina dia mety efa ela no voasambotra i Remenabila sy ireo dahalo mampihorohoro ny any atsimo. Vola be aman-jatony tapitrisa Ariary no omena ny artista manafana ny fitetezam-paritra sy propagandy kanefa tsy nanam-bola nanakaramana ny mpampianatra FRAM ny Fanjakana malagasy ka dia misimisy ihany ny sekoly voatery nakatona nandritra izao fitondrana tetezamita izao. Olana tsy mety voavaha isan-taona ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatry ny oniversite eto an-toerana ary tamin’ity tetezamita ity dia lasa olana vaovao ihany koa ny momba ireo mpianatra Malagasy any ivelany satria tsy voaloa ny vatsim-pianaran’izy ireo.

Kandida amin’izao fifidianana filoham-pirenena izao Atoa Hery Rajaonarimampianina, izay minisitry ny vola ary olona tena atokisan’ny filohan’ny tetezamita. Hita mivaingana amin’ny propagandy ataony fa tena vola be no kirakirain’ity kandida ity. Vola be izay tsy fantatra mazava ny loharano nipoirany. Izany no mahatonga ny olom-pirenena tsotra hieritreritra fa toa tsy miraharaha akory ny maharary ny vahoaka amin’ny fiainany andavanandro ny mpitondra fa variana … hanao fifidianana mba hampaharitra azy eo amin’ny fitondrana. “Expert-Comptable”, mpahay toekarena, mpampianatra, izay no fanentanana re nandritra izao propagandy izao momba ity kandida ity, avy eo izy minisitry ny vola. Ka eto no mipetraka ny ahiahy hoe : tao anatin’ny enim-bolana ve, ohatra dia efa nahangona vola am-polony na an-jatony miliara Ariary ity kandida ity hanaovany propagandy ? Manampy izay dia tsy manana fototra politika mihitsy izy, ary kandida voailika tsy fanta-piaviana hoe avy aiza no nanolotra azy tampotampoka teo hoe ho kandida filoha, hono. Maro be ny resaka sy kabary mandritra izao fampielezan-kevitra izao, fa mba tokony handinika tsara ihany ny mpifidy fa tsy ho sodokan’ny vola sy ny fihetsiketsehana ivelany, mba tsy handetehana anaty lavaka mangitsokitsoka indray ny firenena.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT