Na eo aza ny fanohanana ny kandidà Jean Louis Robinson ataon’ny antoko Avana sy ny Ankolafy Ravalomanana ary ny mpomba azy rehetra mitety faritra samihafa manodidina an’Antananarivo nanomboka ny talata teo ka nitohy omaly alarobia tany Talata Volonondry, Sabotsy Namehana ary Ankadindratombo –Alasora dia mitohy hatrany ny hetsika etsy amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka araka ny lokaloka nifanaovana tany am-boalohany fa tsy hitsahatra raha tsy tafaverina an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana ka feno olona hatrany ity toerana ity. Misaotra manokana anareo vahoakan’i Magro aho, hoy ny MCT Rarison Hilarion, fa tsy very maina ny tolona natao teto. Na maina andro, mangatsiaka andro, manorana andro… tsy niala teto mihitsy ianareo. Isika dia olon-kendry mankatoa raiamandreny ka araka ny hafatr’i Dada dia tohanantsika ary holaniantsika amin’ny “1er tour de vita” ny kandidà filoham-pirenena “favori” Dr Robinson Jean Louis, hoy izy. Tsy maintsy niditra amin’io fifidianana io isika satria araka ny fifanarahana vita sonia tany Windhoek Namibia ny 11 sy 12 septambra dia mody tsy misy fepetra ny sesitany politika rehetra tahaka ny filoha Marc Ravalomanana rehefa mandray anjara amin’ny fifidianana ny ankolafy Ravalomanana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.