Rakotovazaha Olivier

> “Miangavy ny FFKM ny MFM mba hiditra amin’ny asan’ny fampihavanam-pirenena”


  • Zoma 27 Septambra 2013

Avy nanao Vovonana ny antoko MFM ny herinandro lasa iny. Nisy ny resaka nifanaovana tamin’Atoa Rakotovazaha Olivier, Sekretera Jeneralin’ny MFM manodidina izany sy ny toeran’ny antoko manoloana ny raharaham-pirenena.

Tia Tanindrazana (T.T) : Vita izao ny Vovonana. Inona moa izany ary iza avy no tonga tao ?
Rakotovazaha Olivier (R.O) : Natao teto Antananarivo, tao amin’ ny Live Hotel Andavamamba Antananarivo, ny 19- 20-21 Septambra 2013 ny Vovonana na ny Filankevi-pirenen’ny Antoko MFM. Tonga nanatrika izany ambaratonga faratampon’ny MFM amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra izany ny solontena miisa 400 mahery avy amin’ny Faritra MFM 19 sy Vondrona MFM 83 nahitana solontenan’ny Vehivavy sy Tanora.

T.T : Inona daholo ny fanapahan-kevitra noraisina tao ?
R.0 :
Nanao fanitsiana ny Fitsipika Ifampifehezana sy ny Fitsipika anatin’ny Antoko MFM ary nandrafitra ny Vinam-piarahamonina miorina amin’ny fandalàna ny fahafahana sy fahalalahana ny Vovonana MFM 2013 izay notovozina avy amin’ny volavolam-pilazana ho an’ny firenena afrikanina nivoaka tao amin’ny Kongresy faha-58-n’ny Mpandala ny fahafahana sy fahalalahana maneran-tany natao tao Abidjan, Côte d’Ivoire ny 16 ka hatramin’ny 21 Oktobra 2012.

T.T : Manana kandidà ho Filoham-pirenena ve ianareo amin’ny 25 Oktobra 2013 ho avy izao ?
R.O :
Nanapa-kevitra hanohana ny Kandidà Dr Robinson Jean Louis ny Vovonana MFM ka handray anjara amin’ny fananganana Komity Mpanohana azy any amin’ny Faritra, Distrika, Kaominina sy Fokontany manerana ny Nosy.

T.T : Ahoana anefa ianareo no mandray anjara amin’ny fifidianana nefa tsy mbola mivaha ny olana ?
R.O :
Marina izany fa miangavy ny FFKM ny MFM mba hiditra amin’ny asan’ny fampihavanam-pirenena hiantohana ny fivoahana amin’ny krizy amin’ny fomba mahomby.

T.T : Ankoatra izay inona koa no fanapahan-kevitra hafa noraisin’ny Vovonana MFM ?
R.O
: Taorian’izay dia nahazo fankatoavana avy amin’ny Vovonana MFM ny tatitra nataon’ny Birao Foibe tarihin’ny Prezidà Nasionaly Manandafy Rakotonirina, ny Sekretera Jeneraly Rakotovazaha Olivier sy ny Mpitahiry Fananana Nasionaly Razafinjoelina Jean Chrysostome mikasika ny asam-pitolomana sy ny fiatrehana ny toe-draharaham-pirenena. Neken’ny Vovonana MFM ny hitarihan’izy ireo indray ny Antoko MFM mandritry ny dimy taona manaraka. Nankatoavina tamin’izany ihany koa ny hanohizan’ny Mpikambana ao amin’ny Komity Foibe ny asany ao anatin’izany vanim-potoana izany.

T.T : Ankoatra izay, inona koa no fanapahan-kevitra hafa noraisin’ny Vovonana MFM ?
R.O :
Tao anatin’ity Vovonana ity ihany koa no nifidianana ny Mpitarika ny Vehivavy MFM ka lany ho Filoha Nasionaly Ramatoa Rasoaniaina Malalatiana, Sekretera Jeneraly Raharijaona Mirana ary Mpitahiry Fananana Nasionaly Razafindravony Harisoa Juliette.

Toraka izany koa no nananganana ny Mpitarika ny Tanora MFM ka lany tamin’izany ny Prezidà Nasionaly Solohery Charles Hilaire, ny Sekretera Jeneraly Raharison Andriamaherisoa ary Mpitahiry Fananana Nasionaly Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT