Ny Distrikan’Avaradrano no nanohizan’ny kandida Robinson Jean Louis ny fidinana ifotony omaly tontolo andro, nifampiresahany nivantana tamin’ny vahoaka ka nilazany fa hanarina ny rava izy, ary efa vonona ny MAP na ny Madagasikara Am-perinasa hanatanterahana izany miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana. Voatetiny i Talatavolonondry, Sabotsy Namehana nipaka hatreny Ankadindratombo-Alasora.
Niara-dia taminy hatrany i Neny Lalao Ravalomanana sy ireo delegasiona mafonja avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny antoko Avana. Vory lanona hatrany ny olona tamin’ireo toerana rehetra nalehany. Voaporofo indray omaly ny maha kandida “favori” sy akain’ny vahoaka indrindra ny Dr Robinson Jean Louis. Tsy manadino an’Avaradrano ny tenako, hoy ity farany. Tanjon’ny Avana (antokony) rahateo ny fampihavanana izay manomboka amin’ny famerenana an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. Mila an’i Marc Ravalomanana aho, satria izy no môtera hampiainga ny firenena, hoy ny Dr Robison Jean Louis. Tohizana ny lalantsika, raha nampahafantatra ny fandaharanasany izy. Hataontsika mahita ranomasina ao anatin’ny adiny iray i Talatavolonondry, ka hasiana «Autoroute» miainga ao Anjozorobe mipaka any Vavatenina, hoy izy. Ho maimaimpoana ny fampianarana amin’ny ambaratonga voalohany, miaraka amin’izany ny “kit scolaire”. Haverina ny asa very vokatry ny fanonganam-panjakana ary hampiana hahaleotena ny fitsarana ary mila tafika mahomby isika. Hiaraka hiady amin’ny kolikoly isika. Ampahany ihany ireo. Niditra nivantana hatrany tamin’ny antso an-tariby avy any Afrika Atsimo ny filoha Marc Ravalomanana. “Averintsika apetraka ny fahamasinana sy fahamarinana. Vitaina ny efa nimatimatesana ary hatsaraina”, hoy izy. Fantatro fa Avaradrano no tsara salan’isa indrindra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2006, ka avereno izany amin’ny Dr Robinson Jean-Louis araka ny toromarika nomeny ireo mpomba azy, hoy i Dada. Hiaraka hiasa isika hanatrarana izany, hoy i Neny Lalao Ravalomanana nanamafy. Fantatra fa hihazo an’i Mahitsy, Ambohidratrimo ary Ivato iny ny kandida anio.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.