Randriamanantsoa Tabera

> “Ny Fokonolona no masi-mandidy”


  • Alakamisy 26 Septambra 2013

Toy ireo kandida hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena rehetra dia nahazo ny ivontoerana ifanakalozana sy hanangonana vaovao ihany koa ny antoko Kintana, izay manolotra an-dRandriamanantsoa Tabera ho kandidany amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny 25 Oktobra ho avy izao.

Eny Mahazoarivo no misy io foiben-toeran'izy ireo io, ary notokanana omaly folakandro. Nambaran'ny kandida Randriamanantsoa Tabera nandritra izany fa ny fanomezana ny tsirairay ny fahefana no tanjony, izany hoe ny Fokonolona masi-mandidy mba hahafahan'izy ireo manapaka ny zavatra tokony hataony hahafahana mampandroso ny faritra misy azy fa tsy hangataka lava izao. Noraisiny ohatra tamin'izany moa ny volabe raisin'ny Kaominina Antananarivo isan'andro izay miditra mivantana avy hatrany any amin'ny fanjakana fa tsy ny Kaominina no mitantana azy. Izay fomba fiasa izay no tian'ity kandida iray ity hovana amin'izao filatsahan-kofidiana izao raha tsy latsa-danja amin'izany ny fampihavanam-pirenena, ny fampitoviana zo ny rehetra, ny fifidianana lalàmpanorenana vaovao izay notsindriany fa tena maika tokoa sy ny fanovana ireo rafitra napetraky ny vahiny teto hatramin'izay ka nanova ny tantaram-pirenena tsy fidiny, antony namotika ny kolontsaina malagasy.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT