• Talata 19 Novambra 2013
Tontolo ara-toekarana
Manana tetikasa matotra i Robinson Jean Louis

Tahaka ny natao tamin’ireo solontenana mpandraharaha vahiny notontosaina tamin’ny herinandro lasa dia anjaran’ny vondron’ny mpandraharaha eto an-toerana nahitana ny GEM, ny SIM, ny FIVMPAMA ary ny Tranoben’ny tantsaha no nanadinkadina ireo kandida roa heverina fa hiakatra amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 18 Novambra 2013
Fifidianana depiote Atsimondrano
Raharimanarivo Voahangy no kandidan’ny Ankolafy Ravalomanana

Zava-dehibe telo sosona no notontosain’ny ankolafy Ravalomanana ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny voalohany dia ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny kandida ho solombavambahoaka tokana atolotry ny ankolafy Ravalomanana ho an’Antananarivo Atsimondrano izay tarihin-dRtoa Raharimanarivo Voahangy.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 18 Novambra 2013
Kongresin’ny tetezamita
Hanadihady ireo mpanomana ny fifidianana

Tinapak’ireo mpikambana ao anatin’ny Kongresin’ny Tetezamita tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny ireo fandaharam-potoana rehetra mandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa amin’ity taona 2013 ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 18 Novambra 2013
Marc Ravalomanana
Nanome toromarika ireo kandida depiote rehetra

Nanamarika ny hetsika rehetra nataon’ny ankolafy Ravalomanana ny faran’ny herinandro lasa teo iny ny fidiran’ny filoha Marc Ravalomanana mivantana an-tariby niainga avy any Afrika Atsimo ka ny nampiavaka ny tamin’ity dia ny fanomezany toromarika ireo kandidà solombavambahoaka rehetra avy amin’ny ankolafy tarihiny.

Hamaky ny tohiny
FTT