• Alakamisy 21 Novambra 2013
Ankatoky ny fihodinana faharoa
Manomboka ny tery vay manta mahazo ny any ambanivohitra

Manomboka ny tery vay manta ataon’ireo talem-paritra isan-karazany ao Vakinankaratra ho fiatrehana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina amin’ny 20 desambra ho avy io.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 21 Novambra 2013
Marc Ravalomanana
«Mila mahazo ny maro an’isa amin’ny depiote isika»

Hafatra fohy no nandraisan’ny filoha Ravalomanana fitenenana tao Mandoto nandritra ny fitsidihan’ny delegasiona notarihin’i Neny tany an-toerana omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 21 Novambra 2013
Rahaingosoa Louise Odette
Manatevina ny ekipan’ny Dr Robinson Jean Louis

Tapa-kevitra ny hanohana ny Dr Jean Louis Robinson amin’ny fihodinana faharoa Rtoa Rahaingosoa Louise Odette, minisitry ny kolontsaina nandritra ny fitondrana Ravalomanana ary efa solombavambahoakan’i Bealanana ihany koa.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 20 Novambra 2013
Bruno Josvah, Depioten’i Tolagnaro teo aloha
Hanohana sy hanolo-tanana an’ny Dr Robinson Jean Louis

Raha nisafidy ny tsy haneho ny heviny nandritra ny taona nisian’ny krizy teto Madagasikara ny Depioten’i Tolagnaro teo aloha Randrianantenaina Bruno Josvah dia nivoaka tamin’ny fahanginana ny tenany ankehitriny, ary tapa-kevitra fa hanohana sy hanolo-tanana an’ny Dr Robinson Jean Louis amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 20 Novambra 2013
Fifidianana depiote
Mety hanalabaraka ny ankolafy Rajoelina

Efa fambara ratsy ho an’ireo kandida solombavambahoaka avy amin’ny ankolafy Rajoelina ny voka-pifidianana tamin’ny fihodinana voalohany iny raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy ary mety mbola ho ratsy kokoa aza ny hanjo azy ireo amin’ny 20 desambra.

Hamaky ny tohiny
FTT