Mbola misarika ny sain’ny maro ny ho fiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana depiote. Mahakasika itsy voalohany, dia maro no efa mitady lalana amin’ny fanoloran-tanana ireo kandida tombanana fa hiatrika ny fihodinana faharoa. Fa anisan’ny efa nampoizin’ny maro ny fitsimbadihana nataon’i Soja Jean André na Kaleta. Tsy nisalasala ity filohan’ny antoko Liaraiky sady olom-boatendry avy any Amboasary Atsimo ity nilaza fa dia hanohana ny dokotera Robinson Jean Louis, rehefa avy niala nenina amin’izay kandida heveriny fa andrian’ny fony ka hotohanany. Tamin’ny fihodinana voalohany raha ampahatsiahivina, dia nanohana ny kandida Hajo Andrianainarivelo ny tenany.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.