Tahaka ny natao tamin’ireo solontenana mpandraharaha vahiny notontosaina tamin’ny herinandro lasa dia anjaran’ny vondron’ny mpandraharaha eto an-toerana nahitana ny GEM, ny SIM, ny FIVMPAMA ary ny Tranoben’ny tantsaha no nanadinkadina ireo kandida roa heverina fa hiakatra amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Samy nanana adiny iray sy sasany namaliana ireo fanontaniana napetraky ny sehatra tsy miankina taminy i Robinson Jean Louis sy Hery Rajaonarimampianina. Nanamarika ny kandida atolotry ny antoko Avana sy tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ny fahatsoran’ny valim-panontaniany nefa voalanjalanja. Naverimberiny fa mandritra ny fotoam-piasany izay tsy mihoatra ny fotoam-piasana tokana (5 taona) dia atao fomba fiasa ny fifampidinihana amin’ny sehatra tsy miankina. Averina dinihana indray miaraka amin’ny vondron’ny mpandraharaha ohatra ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2014 izay vao nolanian’ny Kongresy. Mikasa hanangana banky ho an’ny fampandrosoana hanampy ny mpandraharaha madinika koa ny tenany. «Tena ho mpiara-miasa akaiky ianareo ary hatsangantsika mihitsy ny Sekreteram-panjakana momba ny sehatra tsy miankina izay ny iray aminareo no hitantana azy», hoy Robinson Jean Louis nanoloana ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra sy vondrona samihafa. Momba ny Jirama dia tsy hisy ny famarotana azy amin’ny tsy miankina saingy sokafana kosa ny fifaninanana izany hoe foana hatreo ny manjaka tokana. Rariny loatra tokoa raha afaka misafidy izay orinasa mamatsy jiro sy rano ho azy ny tokantrano. Malalaka be rahateo ny sehatra satria 3%-n’ny angovo azo trandrahana momba ny angovo ihany no ampiasaina amin’izao.
Momba ny vidin-tsolika dia milaza i Robinson Jean Louis fa tsy maintsy ampiharina ny vidiny tena izy amin’ny alalan’ny fanesorana tsikelikely ny tohana ara-bola. Momba ireo nosintsika bodoin’ny Frantsay ao amin’ny lakandranon’i Mozambika na «Iles Eparses» dia ilaina aloha ny manao tomban’ezaka momba ny zava-misy izay vao miditra ny diplaomasia. Notsoriny fa manahirana ity resaka ity ka tsy maintsy dinihana tsara. Ambonin’ireo rehetra ireo dia atao laharam-pahamehana, hoy izy ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana ka foanana ny fampiasana ny “compte de dépôt” izay nahatratra 1890 isa no nosokafan’ny fanjakana Tetezamita. Mahatratra 600 tapitrisa Ariary ny vola nokirakiraina tsy fantatra ny nampiasana azy tamin’ny alalan’ity kaonty ity nandritra ny fitondran’ny FAT satria tsy azo araha-maso mantsy ny “compte de dépôt”.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.