Hatramin’izay tsy mbola nisy izany fahefana mpanao lalàna izany teto amintsika, hoy Atoa Rakotonirina Andry kandidà ho solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’Antsirabe I atolotry ny OMDHL (Observateur National de Droit de l’Homme et de Liberté) tarihany, fa ny nisy dia mpanao lalàna mpamolavola ny sitrapony na ny sitrapon’ny antoko nanolotra azy ka adino tanteraka ilay vahoaka niaingana. Ny ady amin’ny maha olom-pirenena no zava-dehibe amin’ny OMDHL ka ilana vahaolana haingana, hoy izy. Ny vahaolona fototra handresena ny fahantrana dia ny lalàna. Homena lalàna tsara isika mba ahafahana mahazo fitsarana marina ka mila Olom-baovao Mendrika ho Depiote Hanao Lalàna ka ny lany andro hovana, ny soatoavina hajaina, ny olona no harena, izay tsy manana tany dia omena.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.