Kongresin’ny tetezamita

> Hanadihady ireo mpanomana ny fifidianana


  • Alatsinainy 18 Novambra 2013

Tinapak’ireo mpikambana ao anatin’ny Kongresin’ny Tetezamita tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny ireo fandaharam-potoana rehetra mandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa amin’ity taona 2013 ity.

Anio alatsinainy araka ny lanin’ny besinimaro dia tokony hisy ny fihaonan’ireo kongresista amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tafiditra ao amin’ny fanomanana ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany ireo ministera maromaro toy ny Atitany, ny Fifandraisana amin’ireo andrim-panjakana, ny Fitsarana, ny Foloalindahy, ny Filaminana anatiny, ny Sekreteram-panjakana misahana ny zandarmaria, indrindra ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita. Mandritra ny fihaonana, araka ny fanazavan’ireo mpikambana ao amin’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity, no hamoaboasana ireo fepetra efa noraisin’ireto tompon’andraikitra ireto hanarenana ireo lesoka hita nandritra ny fihodinana voalohany sy hahafantarana amin’ny antsipirihany ireo fanomanana tokony hotanterahana amin’ny fihodinana faharoa sy ny solombavambahoaka. Horesahana manokana ihany koa ny mikasika ny fandriampahalemana, ny lisitry ny mpifidy, ireo hoenti-manan’ireo rantsamangaikan’ny Ceni-T ary ny biletà tokana. Misy amin’ireo kongresista rahateo no mirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka amin’ny 20 desambra 2013 ho avy io ka mieritreritra izy ireo fa manana zo sy adidy hahafantatra ireo dingana efa vita amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Ny faran’ny herinandro lasa iny no tokony ho notanterahana ny fihaonan’ny praiminisitra Jean Omer Beriziky tamin’ireo parlemanteran’ny Kongresin’ny tetezamita momba ny lisi-pifidianana saingy tsy tanteraka izany noho ny tsy fahafahan’ny lehiben’ny governemanta nanome voninahitra izany.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT