Marc Ravalomanana

> Nanome toromarika ireo kandida depiote rehetra


  • Alatsinainy 18 Novambra 2013

Nanamarika ny hetsika rehetra nataon’ny ankolafy Ravalomanana ny faran’ny herinandro lasa teo iny ny fidiran’ny filoha Marc Ravalomanana mivantana an-tariby niainga avy any Afrika Atsimo ka ny nampiavaka ny tamin’ity dia ny fanomezany toromarika ireo kandidà solombavambahoaka rehetra avy amin’ny ankolafy tarihiny.

 

Nambarany fa mila mahay mihaino ny vahoaka ireo kandidà ahafahana mahita ny maharary azy ireo ka atolotra eny amin’ny Parlemantera izany hovahana rehefa lany soa aman-tsara. Tsy tokony hitsanga-menatra manoloana ireo mpifaninana, hoy izy, ny kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana. Nahitsy ny teniny tamin’ireo kandidà fa ny 95%-n’ny fahalanian’izy ireo dia avy aminy (kandida) ihany ka tsy tokony hiantehitra amin’ny hafa izy ireo raha tena vonona ny handresy. Na izany aza, hoy ny filoha Marc Ravalomanana dia tsy mandeha ila fa eo ny fanohanana ny Dr Jean Louis Robinson amin’ny fihodidina faharoa io. Nohamafisiny fa manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha rehetra aty Madagasikara ny tenany, indrindra fa ny fifidianana ka anisan’izany ny fifidianana solombavambahoaka ary mbola vonona amin’ny fanohanana ireo kandidà rehetra ara-kevitra sy teknika ny tenany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT