Zava-dehibe telo sosona no notontosain’ny ankolafy Ravalomanana ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny voalohany dia ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny kandida ho solombavambahoaka tokana atolotry ny ankolafy Ravalomanana ho an’Antananarivo Atsimondrano izay tarihin-dRtoa Raharimanarivo Voahangy.
Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mihitsy no nilaza izany tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy Antanimenakely. Vory maro niatrika izany omaly ireo mpikambana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana indrindra ny avy amin’ny antoko Zanak’i Dada avy eny Atsimondrano izay misandrahaka amin’ireo Kaominina miisa 26. Tamin’ity fotoana ity ihany koa no nampahafantarana ireo mpikatroka Zanak’i Dada ireto ny foiben-toerana vaovao ho an’Atsimondrano izay hiaingan’ny toromarika rehetra mandritry ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahina amin’ny 20 desambra ho avy izao. Nandritra izany no nanomezan’ny filoha Marc Ravalomanana toromarika ireo mpikatroka fa ny fampandresena ny dokotera Robinson Jean Louis no laharampahamehana ho an’ny ankolafy mba hanarenana haingana an’i Madagasikara, kanefa “tsy havenlatsika hiasa irery izy amin’izany andraikitra lehibe miandry azy izany, indrindra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izay andrimpanjakana hanao lalàna, ka izany no tsy maintsy hametrahantsika paikady vaovao hiatrehana izany”, hoy hatrany ny filoha Marc Ravalomanana.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.