Marc Ravalomanana

> «Mila mahazo ny maro an’isa amin’ny depiote isika»


  • Alakamisy 21 Novambra 2013

Hafatra fohy no nandraisan’ny filoha Ravalomanana fitenenana tao Mandoto nandritra ny fitsidihan’ny delegasiona notarihin’i Neny tany an-toerana omaly.

Nambarany fa mila mahazo ny maro an’isa ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy io mba hahamarin-toerana ny fitondrana satria izay no tsy maintsy takian’ny vondrona iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola. Nampahafantariny ireo vahoaka marobe solontenam-pokonolona tonga tamin’io fihaonana io koa ny kandidàn’ny Ankolafy Ravalomanana dia i Raymond, izay Depioten’i Mandoto teo aloha, izy no kandidà miaraka amin’ny Dr Robinson ary tohanan’ny rehetra, hoy ny filoha Ravalomanana. Mila manaraka tsara ny toromarika rehetra omen’i Neny ianareo. Matoky azy tanteraka ny tenako fa hainy io, hoy izy. Nohafarany mafy moa ireo mpitolona mba tsy hijabaka amin’ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana sao manimba ny fifidianana izany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT