Efa fambara ratsy ho an’ireo kandida solombavambahoaka avy amin’ny ankolafy Rajoelina ny voka-pifidianana tamin’ny fihodinana voalohany iny raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy ary mety mbola ho ratsy kokoa aza ny hanjo azy ireo amin’ny 20 desambra.
Mazava ilay safidin’ny Malagasy fa dia tsy mankasitraka ny nataon’ny fitondrana tetezamita nandritra ny efa-taona sy tapany teto ny maro an’isa, ka tsy maintsy ho hita taratra any amin’ny voka-pifidianana izany. Ny lôjika dia ny antoko na ny ankolafy misy izay filoha voafidy eo no hahazo ny maro an’isa eny amin’ny Parlemanta, ary raha ny tombantombana dia hahatafiditra depiote maro eny Tsimbazaza ny ankolafy Ravalomanana. Ho an’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina manokana dia tsy hahita rirany eto ny ankolafy Rajoelina, na izay kandida fantatry ny olona fa mifampikasokasoka amin’ny TGV sy ny mitovitovy aminy. Tena nanaratsy endrika ny mpiara-dia amin’ny filohan’ny tetezamita ihany koa, raha ny firesaky ny olona ny fanaparam-pahefana nataona mpikambana CST sy CT sasany avy ao amin’ity ankolafy ity. Ampy nitsaran’ny vahoaka azy ireo izany. Fa ny tena tsy eken’ny saiko, hoy ny renim-pianakaviana iray dia niha nanankarena tampoka ry zareo (ndlr : olon’ny ankolafy Rajoelina) vantany vao voatendry ho CT. Ny any amin’ny faritra sasany indray dia efa zatra mifidy kandida tsy miankina, ka rehefa atao ny kajy tsotsotra dia tena mety ho vitsy an’isa eny Tsimbazaza ny ankolafy Rajoelina. Tsy zavatra atao mahagaga moa izany fa vokatry ny nataon’izy ireo teto amin’ny firenena ihany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.