Raha nisafidy ny tsy haneho ny heviny nandritra ny taona nisian’ny krizy teto Madagasikara ny Depioten’i Tolagnaro teo aloha Randrianantenaina Bruno Josvah dia nivoaka tamin’ny fahanginana ny tenany ankehitriny, ary tapa-kevitra fa hanohana sy hanolo-tanana an’ny Dr Robinson Jean Louis amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa.
Efa nisy, hoy ity depiote teo aloha ity, ny fifampiresahana teo aminy sy i dokotera, ary manga ny dinika sy ny tafa nifanaovana. Resy lahatra ny tenany fa any amin’ny Dr Robinson no lalana heveriny fa hampiarin-doha ny firenena sy hisian’ny fampandrosoana mirindra. Ny fikambanana Fampandrosoana Mirindra (FM) izay tarihiny moa dia vonona ho amin’izany ihany koa. Mitombo isa indray araka izany ireo olona sy vondron’olona vonona hanohitra ny tsy manjary eto Madagasikara. Marihina fa nisafidy tsy mbola handray anjara amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka ity mpanao pôlitika sady mpandraharaha ara-toekarena avy any Tôlagnaro ity. Efa in-droa voafidy ho depiote tao Tolagnaro rahateo izy ary anisan’ny nametraka radio tsy miankina voalohany tany an-toerana ny taona 1996.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.