Ankatoky ny fihodinana faharoa

> Manomboka ny tery vay manta mahazo ny any ambanivohitra


  • Alakamisy 21 Novambra 2013

Manomboka ny tery vay manta ataon’ireo talem-paritra isan-karazany ao Vakinankaratra ho fiatrehana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina amin’ny 20 desambra ho avy io.

Tany Mandoto izao dia novorian’ny tomponandraikitra iray miasa eo anivon’ny Faritra Vakinankaratra tao amin’ny biraon’ny Distrika ireo lehiben’ny Fokontany ny talata 19 novambra teo. Nanome toromarika ny hampandresena ny «kandidàn’ny fanjakana» izy, «ka asakasakareo … satria aza adino fa mpiasam-panjakana koa ianareo”, hoy ilay tomponandraikitra. Raha nisy sefo Fokontany iray saika hangataka fitenenana hitaky ny tambinkaraman’izy ireo sivy volana moa dia tsy nahazo niteny fa don-databatra no azony fa efa fantany, hono, ny tian’ilay sefo Fokontany hanontaniana. Tsara ny manamarika fa ireo sefo Fokontany tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra ihany no mbola nahazo ny tambinkaramany fa ny tany amin’ny Distrika mbola miandry amin’ny 27 novambra vao hozaraina ary mbola arahina fepetra ihany koa izany, satria nolazaina fa miankina amin’ny asan’ny tsirairay amin’ny fanohanana ny kandidam-panjakana izany ka izay no hizarana azy ankatoky ny fampielezan-kevitra. Izay ny an’ny lehiben’ny fokontany fa nifanindran-dalana tamin’ity fihaonana ity ihany koa dia famoriana ireo mpampianatra ka tsy nifanalavitra tamin’izay ihany koa ny resaka. Omaly alarobia moa dia tany amin’ny Distrikan’Antsirabe faharoa indray no nanaovan’ireto tompon’andraikitry ny Faritra ireto be midina.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT