Tapa-kevitra ny hanohana ny Dr Jean Louis Robinson amin’ny fihodinana faharoa Rtoa Rahaingosoa Louise Odette, minisitry ny kolontsaina nandritra ny fitondrana Ravalomanana ary efa solombavambahoakan’i Bealanana ihany koa.
Raha mbola mangingina ny an-kilany dia mihetsika dia mihetsika ireo olon-tsotra, mpanao politika, mpitondra teo aloha, antoko sy fikambanana maro samihafa manambara ny fanohanan’izy ireo ny kandidan’ny AVANA tohanan’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fihodinana faharoa. Mialoha izao dia tsara ho fantatra fa efa tonga nanatevin-daharana ny ankolafy Ravalomanana ihany koa, ohatra, ny minisitra teo aloha isany Razaka Elysé (angovo), Ravelonarivo Laporte (fitaterana), Rabarison Jacquis (angovo sy ny harena ankibon’ny tany)... dia izao Rahaingosoa Louise Odette (kolontsaina). Fa raha hiverenana kely ny momba an-dRamatoa Rahaingosoa Louise Odette, dia azo ambara fa tsy vahiny amin’ny tontolo politika izy, ary anisan’ireo olona sokajiana ho raiamandreny to teny any amin’ny faritr’i Sofia. Olona tsotra, tsy mpanao politika politisianina fa kosa mankafy ny fifandraisana amin’ny vahoaka, tsy mba anisan’ireo nihazakazaka nitady seza izy raha tonga ny fitondrana tetezamita tamin’ny 2009 ary tena nisafidy ny nangina mihitsy aloha mba hahafahany mandinika tsara ny zava-misy. Tsara homarihana fa olon’ny finoana ihany koa Rtoa Rahaingosoa Louise Odette ary tena manankim-po amin’Andriamanitra amin’izay zava-drehetra ataony. Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia efa nilaza tamin’ireo mpomba azy tetsy amin’ny Magro fa ho avy maro be ny olona hanohana ny kandida Robinson Jean Louis, na olon-tsotra io, na mpanao politika, na mpitondra teo aloha dia io manomboka miseho io izany ry zareo.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.