• Talata 31 Desambra 2013
Kandidà Nathalie Rabe
Manaiky resy ary hanohy ny etika politikan’i Herizo Razafimahaleo

Resy tao amin’ny Boriborintany faha-2 nirotsahany ho kandidà solombavambahoaka Rtoa Nathalie Rabe minisitra teo aloha tao amin’ny fitondrana tetezamita.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 31 Desambra 2013
Pr Mangalaza Eugène
«Ampy izay ny halatra, aboahy ny marina !»

Tamin’ny teny fohy sady hentitra no nilazan’ny Pr Mangalaza Eugène, talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida filoham-pirenena Dr Robinson Jean Louis : «aboahy ny marina mikasika ny voka-pifidianana fa tsy tantinay ny Fitsarana tsy mandeha amin’ny tokony ho izy».

Hamaky ny tohiny
  • Talata 31 Desambra 2013
Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa
“Distrika 114 nitrangana hala-bato, efa nisy marika mialoha ny 20%-n’ny bileta”

Nijoro, namaky bantsilana ny hala-bato niseho lany taloha, nandritra ary taorian’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa niaraka tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka notanterahina tamin’ny 20 desambra 2013 teo Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa, kandida filoham-pirenena tamin’ny fihodinana voalohany ary mpikambana amin’ny vovonana Madagasikara, ivondronan’ireo mpanohana an’i Dr Robinson Jean Louis.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 30 Desambra 2013
Fifidianana depiote tao Mananjary
Kandidà sivy nametraka fitarainana niaraka amin’ny porofo

Kandidà miisa sivy tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka tao Mananjary natao ny 20 desambra teo no nametraka fitoriana eny anivon’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana noho ny tsy fanarahan-dalàna maro hitan’izy ireo tany an-toerana nandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ka hatramin’ny andro nandatsaham-bato.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 30 Desambra 2013
Fanisam-bato teny Ambohimanambola
Niseho ho azy ny nafenina

Trangan-javatra iray toa zary vitavita ho azy fotsiny tamin’izao ity nitranga teny amin’ny birao fandatsaham-bato iray teny amin’ny Kaominin’Ambohimanambola Avaradrano ity tamin’ny fotoana nanisana ny vato ny 20 desambra takariva ireny.

Hamaky ny tohiny
FTT