Trangan-javatra iray toa zary vitavita ho azy fotsiny tamin’izao ity nitranga teny amin’ny birao fandatsaham-bato iray teny amin’ny Kaominin’Ambohimanambola Avaradrano ity tamin’ny fotoana nanisana ny vato ny 20 desambra takariva ireny.
Rehefa nandeha mantsy ny fanisana dia tao anatin’ny fanisana ny vaton’ireo kandidà lah-3 sy lah-33 ho an’ny fifidianana filoham-pirenena no nisy vaton’ny kandidà depiote iray an’ny MAPAR Avaradrano voatonona satria nipoitra avy tao anaty vata mangarahara. Toa vitavita ho azy ilay izy satria samy namaly fotsiny ny hoe : “vato maty, vato maty iny” ny iray trano. Rehefa natao koa ny fanisana ny vaton’ireo kandidà solombavam-bahoaka dia niseho avy ao anaty vata tao ny vato lah-3 an’ny Hery Vaovao ho setrin’ilay iray naningana teo dia mbola samy nihiaka “vato maty, vatomaty iny” avokoa ny mpanotrona. Rehefa samy nahazo saina avy taty aoriana noho ny fisian’ireo fitarainana tamin’ny fisian’ireo bilità efa voamarika mialoha vao tonga saina ny iray tanàna fa anisan’izany ireto vato roa nifamadika ireto noho ny fifandisoan’ny tanan’ilay nitondra azy. Tsy avelan’ny rariny tsy hiseho tokoa ny marina na dia nafenina mandifotra olona aza ê !
Sammy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.