Kandidŕ Nathalie Rabe

> Manaiky resy ary hanohy ny etika politikan’i Herizo Razafimahaleo


  • Talata 31 Desambra 2013

Resy tao amin’ny Boriborintany faha-2 nirotsahany ho kandidŕ solombavambahoaka Rtoa Nathalie Rabe minisitra teo aloha tao amin’ny fitondrana tetezamita.

Na tsy mbola nivoaka ofisialy aza ny vokatra vonjimaika dia miondrika eo anatrehan’ny safidin’ny maro an’isa aho. Izaho mantsy dia kandidà mandala ny «fair-play» na teo aza ny fihetsika tsy mendrika samihafa nataon’ireo mpifanandrina tamiko niisa 38 ary fifaninanana masina iny ka ny feon’ny maro an’isa no tompon’ny teny farany, hoy izy. Notazoninay ny foto-pisainana nijoroan’ny filoha mpanorina ny antoko Leader Fanilo fony fahavelony tamin’ny fiatrehanay ny fampielezan-kevitra ka hatramin’ny fiatrehana ny fifidianana dia ny fanajana ny etika politika tamin’ny fitazonana ny fahadiovana sy ny mangarahara tanteraka teo amin’ny atao.

 

Hotohizanay hatrany ny asa sosialy fanaonay ary nambaranay tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra na dia tsy lany aza ny tena, fa tsy havela tahaka ny an’ny namana hafa. Hotohizana koa ny fanabeazana ny mpiara-belona handala an’io etika politika io sy ny maha olom-pirenena vanona, ny tanora hankamamy ny fanatanjahantena, hoy hatrany izy. 

 

 

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT