Kandidŕ miisa sivy tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka tao Mananjary natao ny 20 desambra teo no nametraka fitoriana eny anivon’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana noho ny tsy fanarahan-dalŕna maro hitan’izy ireo tany an-toerana nandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ka hatramin’ny andro nandatsaham-bato.
Tena natao an-kilabao avokoa ireo kandidà nifaninana taty Mananjary raha tsy hiteny afa-tsy ny fahazoana miteny tamin’ny haino aman-jerim-panjakana sy ny tsy miankina koa aza isika, hoy Atoa Andriamanampisoa Gégé Bernard iray amin’ireo kandidà ireo, fa dia ny mpifaninana roa akaiky ny fitondrana ihany no navela nigalabona tao. Tena norahonana tsy hamoaka izay fampielezan-kevitra nataon’ireo kandidà hafa ireo mihitsy ny mpikirakira vaovao tany amin’ity Distrika misy anay ity, hoy izy. Hatreto aloha, hoy ity kandidà Gégé Bernard nisolontena ireo namany valo hafa dia miezaka manatanteraka ny fitakiana ao anatin’ny ara-dalàna hatrany izahay saingy tsy hay kosa izay ho fanapahan-kevitr’ireo mpanohana azy ireo. Miankina amin’izay koa, hoy izy, ny mety hisian’ny hetsika hitambaram-be hataonay kandidà niharan’ny tsindrihazolena ireo. Nambarany ho tompon’antoka amin’izay ho tohin’ity raharaha ity moa ireo izay ninia nandika lalàna ka nihavian’ny fanafintohinana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.