Nijoro, namaky bantsilana ny hala-bato niseho lany taloha, nandritra ary taorian’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa niaraka tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka notanterahina tamin’ny 20 desambra 2013 teo Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa, kandida filoham-pirenena tamin’ny fihodinana voalohany ary mpikambana amin’ny vovonana Madagasikara, ivondronan’ireo mpanohana an’i Dr Robinson Jean Louis.
Nahitsy ny tenin’ity filohan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara ity omaly, fa tsy mba hala-bato tsotsotra fa tena hala-bato bevata, nihoapampana no niseho ary hita sy ananana porofo. Distrika 114 amin’ny 117 nahazoana fitanana an-tsoratra voka-pifidianana, hoy izy dia nitrangana hala-bato nihoapampana avokoa. Nitondra porofo ara- tarehimarika maro sy ny toerana nitrangana hosoka ny tenany, toy ny tao amin’ny EPP Vohitsivalana Ambatondrazaka, izay 200 ny isan’ny bileta tokana nampiasaina, nefa 184 ihany no hita rehefa natao ny fanisam-bato fa nanjavona ny 16. Nilaza Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa fa bileta efa voaisy marika mialoha ny 20%-n’ny bileta tafiditra tany anaty vata fandatsaham-bato. Notondroiny ho tompon'andraikitra amin’izany ny CED, izay rantsamangaikan’ny CENI-T eny anivon’ny Distrika. Maro ny bileta niteraka araka ny toromarik’ireo solontenam-panjakana mikarakara fifidianana, ka maro ny toerana nahitana fa nitombo isa tampoka ny isan’ny vatom-pifidianana voaisa, hoy hatrany Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa, manginy fotsiny ny fisian’ireo vata fandatsaham-bato efa nosesefana bileta mialoha. Koa tsy tokony hihazakazahana ny famoahana voka-pifidianana hanajana ny safidim-bahoaka sy ny hasin’ny fifidianana, hoy ity kandidan’ny Maitso tamin’ny filoham-pirenena ity.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.