Pr Mangalaza Eugčne

> «Ampy izay ny halatra, aboahy ny marina !»


  • Talata 31 Desambra 2013

Tamin’ny teny fohy sady hentitra no nilazan’ny Pr Mangalaza Eugčne, talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida filoham-pirenena Dr Robinson Jean Louis : «aboahy ny marina mikasika ny voka-pifidianana fa tsy tantinay ny Fitsarana tsy mandeha amin’ny tokony ho izy».

Nohamafisiny fa matoa izy nitsangana tamin’izao fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena izao, dia noho ny fahatsapana fa anatin’ny kihon-dalana hivoahana amin’ny krizy i Madagasikara. Koa na zovy mandresy, na zovy resy, dia aoka handresy amin’ny ara-dalàna ary resy amin’ny ara-dalàna. Notsipihiny mazava fa tsy tokony hisy ny korontana fa inian’ny sasany korontanina amin’ny familiviliana sy fikirakirana ary famoahana voka-pifidianana fotsiny. Raha tiana ny tsy hisian’ny korontana dia «aboahy ny marina», hoy i Mangalaza Eugène. Hentitra ity farany nilaza fa tsy misy matahotra ho resy amin’ny fifidianana eto, ary «tsy teto i Mangalaza Eugène raha matahotra ho resy». Ampy izay ny halatra, ampy izay ny hosoka, hoy hatrany ny tenany. Angalarina ny taolam-paty, angalarina ny “bois de rose», izao dia mbola tadiavin’ny sasany hangalarina koa ny revirevy sy ny eritreritsika ? Mba tsy mety kosa izany. Tsy misy eritreritra hanakorontana eto, isika rahateo olona tia Fihavanana ka andao hiaraha-mizaha ity raharaha ity, hoy izy.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT