Fifidianana solombavam-bahoaka

> Mitarika i Bebain ao Manakara


  • Alatsinainy 30 Desambra 2013


Nametraka ny fitokisany tamin’Atoa Andriantsizehena Benja Urbain na «Bebain», Filoha Lefitry ny Kongresin’ny Tetezamita Faritany Fianarantsoa sady Sekretera Jeneralin’ny RPSD, Sekretera Jeneralin’ny UDR-Fanovana, Kandidà natolotry ny “Malagasy Miara Miainga (MMM/VPM)” laharana faha-2 tao amin’ny biletà tokana ny vahoakan’i Manakara satria dia nitarika hatrany amboalohany ny kandidan’ny MMM Andriantsizehena Benja urbain, manaraka azy eo ny Kandidà natolotry ny MAPAR Atoa Razafimahatratra Abel, laharana faha-17 tao amin’ny biletà tokana, ary fahatelo kosa ny kandidà natolotry ny “Hiaraka Isika” ny kolonely Mandehatsara Georget laharana faha-3 tao amin’ny biletà tokana izay Lehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany teo aloha. Mafy ihany hoy i Bebain ny niady tamin’ireo namafy vola sy fitaovana toy ny t-shirt izay nomena ireo kaominina ambanivohitra. Ny tenany rahateo tsy nanao tee-shirt ohatry ny sasany.

Teo antampon-tananan’i Manakara izay ahitana Fokontany 18 dia nitarika ny tenany Fokontany 10 fa ny Fokontany 08 ambiny no nitsinjaran’ireo kandidà 22 nifaninana taminy. Raha ny tany amin’ny Kaominina Ambanivohitra indray dia Kaominina 09 no nitarihany. Nisy ihany ny tsy ara-dalàna nataon’ireo kandidà sy ny mpanohana azy, ohatra : ny tao amin’ny Kaominina Ambalaroka, Lokomby sy ny tany Mahabako, tsy nametraka fitarainana anefa ny tenany na dia nisy nanao izany aza ny kandidà hafa fa hametraka fitoriana any amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany mikasika ny tsy fanarahan-dalàna ka hampanokatra fanadihadiana ho an’izay rehetra nanao izany. Tsy azo ekena intsony ny tsy fanarahan-dalàna indrindra ny faneriterena ny mpifidy na an-kolaka na mivantana satria isany izany no notakiana ny fiovàna nidinan’ny vahoaka an-dalam-be tamin’ny taona 2009. Ka ho hita eo ny tena marina. Vonona hatrany ny tenany hitondra ny fampandrosoana ho an’i Manakara mandritra ny maha Solombavambahoaka azy. Andrasana ny vokatra ofisialy havoakan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES.

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT