• Alatsinainy 27 Janoary 2014
Fametrahana ny filoham-pirenena
Nangingina fa tsy toy ny mahazatra

Tanteraka ny sabotsy 25 janoary 2014 lasa teo teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny lanonana ofisialy fametrahana ny samboady sy ny fianianana maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara an-dRajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Janoary 2014
Governemanta Beriziky
Naverina hanohy ny asany

Ny nanaovana fametraham-pialana faobe no ela dia naverina hanohy ny asany ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Beriziky Jean Omer.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Janoary 2014
Guy Rivo Randrianarisoa
Mbola any amin’i Dada ny tena lakile

Tsy araka ny nieritreretan’ny maro azy hoe, maty momoka ny tolona etsy amin’ny Magro Behoririka taorian’ny nandrenesana fa nanaiky nanatrika ny fianianan’Atoa Rajaonarimampianina Hery teny Mahamasina ny kandidà Robinson Jean Louis notohanan’ny ankolafy Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Janoary 2014
Marc Ravalomanana
Maneho fiaraha-miory amin’ireo niharam-boina teny Anosy

Manohitra ny fampihorohoroana niseho tahaka ireny tamin’ny sabotsy hariva teny Anosy ireny izahay ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, hoy Atoa Guy Rivo Randrianarisoa, tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha omaly, raha namangy an’ireo niharam-boina mbola tsaboina eny an-toerana izy sy ny delegasiona notarihany.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Janoary 2014
Paul Berenger, lehiben’ny mpanohitra atsy Maorisy
Nidera ny fihetsika nasehon’i Dr Robinson Jean Louis

Nidera ny fihetsika nasehon’i Dr Robinson Jean Louis tamin’ny nanatrehany ny fianianan’ny filoha vaovao teny Mahamasina Atoa Paul Berenger, lehiben’ny mpanohitra atsy amin’ny Nosy Maorisy.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Janoary 2014
Roland Ratsiraka
Ny fampandrosoana ny firenena no zava-dehibe

“Nilaza ny Filoha Rajaonarimampianina fa manolo-tanana amin’ireo mpifanandrina taminy, maro anefa ireo mpifanandrina taminy ireo satria 33 izahay no nifaninana tany am-boalohany ary anisan’izany ny tenako”, hoy i Roland Ratsiraka.

Hamaky ny tohiny
FTT