Ny nanaovana fametraham-pialana faobe no ela dia naverina hanohy ny asany ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Beriziky Jean Omer.
Efa nanambara ity farany fa hametra-pialana ny governemanta tarihiny aorian’ny fahavitan’ny fianianana ametrahana amin’ny toerany ny filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika faha-4. Tsy niandry ela fa ny sabotsy 25 janoary andron’ny fianianana ihany dia nirosoana izay fametraham-pialana faobe izay. Noraisin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina io fametraham-pialana io ary nanapa-kevitra ity farany hamerina ny governemanta Beriziky hanohy ny asany mandra-panendry ny praiminisitra vaovao. Ny jeneraly Ralala Roger, Sekretera jeneralin’ny governemanta no namaky ny taratasy mikasika izany, fanapahana izay natao teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.