Tsy araka ny nieritreretan’ny maro azy hoe, maty momoka ny tolona etsy amin’ny Magro Behoririka taorian’ny nandrenesana fa nanaiky nanatrika ny fianianan’Atoa Rajaonarimampianina Hery teny Mahamasina ny kandidà Robinson Jean Louis notohanan’ny ankolafy Ravalomanana.
Mbola vory maro tao an-kianjan’ny Magro Behoririka ny mpitolona ny sabotsy 25 janoary teo. Maro dia maro ireo Parlemantera tsy mivadi-belirano tonga toy ny Rév.Satrobory, Donazy (Vangaindrano), Tsianihy (Toliara), Manoela (Antananarivo 5), Rarison Hilarion (Fianarantsoa), Zafilahy Stanislas (Vavatenina), Login (Beloha Androy), Eric (Antsohihy), Patrice (Mahajanga), Feno (Antananarivo 2). Ho azy ireo : mitohy ny tolona mandra-piverin’ny filoha Marc Ravalomanana eto Madagasikara. Mbola mitoetra ny lokaloka ho an’ny Magro : “izay mivadika dia ho kely ila”. Fa izay tena nisongadina tamin’io sabotsy io dia ny hafatra nentin’ny mpitondra tenin’ny filoha Marc Ravalomanana, Guy Rivo Randrianarisoa. Nambarany fa efa nekeny daholo ny fangatahan’ny iraisam-pirenena rehetra toy ny “Ni… Ni”, fanilihana an’i Lalao Ravalomanana tsy ho kandida, fanendrena kandidà hafa ho solony, ka tokony hampiharin-dry zareo amin’izay ny tondrozotra hampody azy an-tanindrazana, hamerina ireo haino aman-jery nakatona, hamoaka ireo gadra politika. Manomboka izao, hoy ny filoha Marc Ravalomanana dia izy tenany mihitsy no mikarakara ny fampodiana azy ka n’iza n’iza milaza fa hanao izany dia ho mpanampy fotsiny sisa. Tsy nisalasala Atoa Guy Rivo Randrianarisoa nilaza fa matoa tsy sahy nanao sonia teny Iavoloha Atoa Hery Rajaonarimampianina dia mbola any amin’i Dada ny tena lakile ka miandry izany izy. Ambarako, hoy i Guy Rivo, fa mijanona ho mpanohitra ny ankolafy Ravalomanana ka izahay dia deba mpitarika izany miaraka aminareo eto an-kianja, ka isika tsy handraraka ilo mby an-doha.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.