Paul Berenger, lehiben’ny mpanohitra atsy Maorisy

> Nidera ny fihetsika nasehon’i Dr Robinson Jean Louis


  • Alatsinainy 27 Janoary 2014

Nidera ny fihetsika nasehon’i Dr Robinson Jean Louis tamin’ny nanatrehany ny fianianan’ny filoha vaovao teny Mahamasina Atoa Paul Berenger, lehiben’ny mpanohitra atsy amin’ny Nosy Maorisy.

 

Mahavelom-panantenana ny amin’ny fivoarana sy fihatsaran’ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara ireny, hoy izy ary singa iray goavana amin’ny fametrahana ny fitoniana. Tonga nitsidika ny kandidan’ny AVANA teny Ambohimiandra moa ny sabotsy tolakandro teo ity praiminisitra Maorisiana teo aloha ity, ka dia nifanakalo hevitra ny roa tonta. Nisy lohahevitra vitsivitsy naroson’i Dr Robinson mba hoeritreretina sy hodinihana tahaka ny ady amin’ny hala-bato sy ny hosoka, ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ny ady amin’ny kolikoly atao amin’ireo mpanao politika sy ny fanjakana tsara tantana. Nampatsiahy i Paul Berenger fa manana anjara toerana goavana izany mpanohitra izany any Maorisy ary araka ny arofenitra dia mitovy amin’ny filohana andrim-panjakana mihitsy ny lehiben’ny mpanohitra. Eto Madagasikara ihany koa amin’izao Repoblika faha-4 izao dia mitovy lenta amin ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ny mpitarika ny mpanohitra, ary raha ny lojika taorian’ny fifidianana no raisina dia i Dr Robinson Jean Louis no hitarika ny vondron’ny mpanohitra eto Madagasikara. Fanoherana ao anatin ny fanajana ny lalàna no atao, hoy i Dr Robinson fa tsy fanoherana bontolo ary tsy voatery hitokona sy hidina an-dalambe foana vao afaka, manova zavatra. Zava-baovao eto Madagasikara ity fanomezana lanja manokana ny mpanohitra ity. Ny fanirian’ny vahoaka fotsiny dia enga anie ka tena hiasa ho amin’ny tombontsoam-pirenena marina ny mpanao politika fa tsy hangoron-karena sy hanabe hatoka fotsiny. Na manohana ny fanjakana na manohitra fa tsy manohitra satria te hahazo seza na manohana satria nahazo vola.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT