“Nilaza ny Filoha Rajaonarimampianina fa manolo-tanana amin’ireo mpifanandrina taminy, maro anefa ireo mpifanandrina taminy ireo satria 33 izahay no nifaninana tany am-boalohany ary anisan’izany ny tenako”, hoy i Roland Ratsiraka.
Kolontsaina tsara apetraka eo amin’ny tontolon’ny politika eto amintsika ny demokrasia ka deraiko ny kandida Dr Jean Louis Robinson tamin’ny fahatongavany nanatrika ny fianianan’ny Filoha izay mpifanandrina taminy, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko MTS. Nilaza ity farany fa tsy mametraka olana amin’ny mety ho fiaraha-miasa eo amin’ny kandida Dr Robinson Jean Louis sy ny Filoha Rajaonarimampianina Hery mihitsy satria ny fampandrosoana ny firenena no zava-dehibe. Toy izany koa, efa nilaza hatramin’ny fihodinana faharoa izahay, hoy i Roland Ratsiraka, fa vonona hiara-miasa amin’ny Filoha hery Rajaonarimampianina ka apetrakay amin’ny fahendren’ny parlemantera sy izy Filoha ny fisafidianana izay ho praiminisitra. Mahakasika ny fampodiana ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc indray dia nilaza i Roland Ratsiraka fa “ny filaminana maharitra aloha no ilaina araka ny tenin’ny Filoha Rajaonarimampianina Hery ka rehefa mipetraka izany vao hampodiana izy. Tsy voafetra anefa io fotoana io”.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.