• Alakamisy 30 Janoary 2014
Fanesorana Tale sy Tale jeneraly
“Zon'ny minisitra feno”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran'ny fanabeazana

Efa hatry ny ela no misy fanodinkodinam-bolam-panjakana mihoapampana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazana. Asa raha misy ifandraisana amin'izany ny fanesorana tale jeneraly iray sy tale telo ao an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 30 Janoary 2014
Randriamandimbisoa Félix
Miandrandra fanovana ny vahoaka

Manomboka miravona tsikelikely ankehitriny ny fiainam-pirenena malagasy taorian’ny zava-nisy sy nitranga teto Madagasikara hatramin’ny taona 2009. Vita soa aman-tsara mantsy ny fifidianana filoham-pirenena ilay ambara fa hany lalan-tokana hivoahantsika amin’ny krizy lavareny nanapotika ny fiainam-bahoaka 22 tapitrisa.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 29 Janoary 2014
Madagasikara
Voageja tanteraka ?

Mibaribary izao fa tsy mbola afa-miala amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny baikony i Madagasikara. Maika sy dodona hanatrika ny fivoriambe faha-22-n’ny Vondrona Afrikanina any Addis Abeba ny 30-31 janoary rehefa avy nofafana sazy Atoa Hery Rajaonarimampianina izay tafiditra tao anatin’ny lisitr’ireo 109 nanongam-panjakana tamin’ny 2009.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 28 Janoary 2014
Vondrona Afrikanina
Miantso ny hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena

Ny fianianan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina no nandrasana dia indro fa nofoanan’ny fivoriambe faha-415 ny Filankevitry ny filaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, izay nanomboka omaly tany Addis Abeba ireo sazy rehetra nihatra tamin’i Madagasikara, ary manomboka izao dia afaka miverina amin’ny toerany sy manatrika ny fivoriana rehetra karakarainy i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
FTT