Fametrahana ny filoham-pirenena

> Nangingina fa tsy toy ny mahazatra


  • Alatsinainy 27 Janoary 2014

Tanteraka ny sabotsy 25 janoary 2014 lasa teo teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny lanonana ofisialy fametrahana ny samboady sy ny fianianana maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara an-dRajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial.

Nitarika ny fotoana tamin’izany ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana notarihan’ny filohany Rajaonarivony Jean Michel. Tamin’ny ankapobeny dia tonga nanome voninahitra ny lanonam-pitsarana ampahibemaso ity ireo olo-manankaja maro nasaina nahitana ireo sivily sy miaramila malagasy ary ireo vahiny tompon’andraiki-panjakana sy masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara. Singanina manokana amin’izany fahatongavan’ny dokotera Robinson Jean Louis, kandida nifaninana tamin-dRajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial tamin’ny fihodinana faharoa. Azo ambara fa tsy toy ny nahazatra ny zava-nisy hita tao anatin’ny kianja nanatanterahana ity lanonana manan-danja ho an’ny firenena malagasy ity satria hita ho babangoana ireo toerana teny amin’ny «gradins» ary somary nangatsiaka ny fanentanana. Nangina sy tsy dia nisy akony loatra ny azo amintinana iny azo lazaina ho andro lehibe sady manan-tantara ho an’ny fiainam-pirenena niseho ny faran’ny herinandro lasa teo iny. Tsy nitotorebika nampiseho ny hafaliany ny Malagasy fa nionona fotsiny tamin’ny fanaraham-baovao tamin’ny haino aman-jerim-pirenena izay nampita nivantana ny lanonana. Maro aza ireo nihevitra iny andro iny toy ny mahazatra ka samy nanatanteraka ny fandaharam-potoana faran’ny herinandro ihany koa.

 

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT