Manohitra ny fampihorohoroana niseho tahaka ireny tamin’ny sabotsy hariva teny Anosy ireny izahay ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, hoy Atoa Guy Rivo Randrianarisoa, tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha omaly, raha namangy an’ireo niharam-boina mbola tsaboina eny an-toerana izy sy ny delegasiona notarihany.
Nitondra hafatra manokana avy amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana koa ny tenany izay nanambara marindrano fa tsy mankasitraka ireny fihetsika mampihorohoro ireny ka maneho ny fiaraha-miory amin’ireo niharam-boina ireo ary mirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra. Nitondra ny voatsirambin’ny tanana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana hanampiana ireo niharam-boina hitsaboan’izy ireo tena koa ity mpitondra tenin’Atoa Marc Ravalomanana ity. Marihina fa mbola misy 17 ankehitriny ireo voatery notazonina ao amin’ity hopitaly ity noho ny ratra mafy nahazo azy ireo ka anisan’izany ny iray tampo amin’ilay zaza roa taona maty mbola any amin’ny toerana famelomana aina ka tsy azo novangiana. Ireo ray aman-dreniny moa dia voatery nalefa nody aloha na dia naratra mafimafy ihany koa aza fa tsy maintsy nikarakara an’ilay zaza maty. Anisan’ireo novangian’ity delegasiona notarihan’Atoa Guy Rivo ity koa ilay ramatoa mpivarotra tapa-tongotra nipoahan’ny grenady teo aminy. Voatery notapahina hatreny amin’ny lohaliny mihitsy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.