Hanao fivoriambe mihitsy izahay ny alarobia 29 janoary, hoy i Mampiory Honoré Xavier Roberson nisolovava ireo namany avy nifampidinika manokana tamin’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita omaly tetsy Tsimbazaza, “mba hahazoana mandray fanapahan-kevitra mikasika ny fitakiana ireo tombontsoa mbola tokony horaisinay mialoha ny fivoahan’ny didim-panjakana mandrava tanteraka ity andrim-panjakana misy anay ity”. Marihina fa ny resaka karama farany volana janoary 2014 dia efa maro no nahazo ny anjarany ireo MCT zatra ny mandray an-tanana izany. Ireo mandray vola eny anivon’ny banky amin’ny alalan’ny “virement” kosa dia mbola an-dalam-pikirakirana. Ny resaka famerenana vidim-panafody sy taratasin-tsolika moa no tena hitoeran’ny olana, hoy ity MCT ity. Mitentina 3.000.000 Ar tsirairay avy izany raha ny kajikajy nomeny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.